ActualitésTsidika

Zotra H: Nahazo ny anjarany avy amin’ny mpandeha ny fiara tsy manaja ny mpanjifa

Tranga anisan’ny nanaitra ny mpanara-baovao tamin’ny faran’ny herinandro iny ny niseho tamin’ny fiara fitateram-bahoaka iray, zotra H, izay miasa ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy ny manodidina.

Novakian’ny mpandeha ny fitaratry ny fiara fitateram-bahoaka raha vao tsy naverin’ny mpanampy ny mpamily ny famerim-bola. Saika nankasitraka ny fihetsika nataon’ity mpandeha ity avokoa ireo mpandeha fiara iombonana rehetra manoloana ny afitsoky ny mpanampin’ny mpamily amin’ny tsy fanajana pandeha. “Mety aminy tsara mihitsy izao ary tsara ihanarana ara satria manao tsinotsinona mpandeha loatra ny bus” hoy I Holy mpandeha fiara fitateram-bahoaka isanandro. “Manahirana ihany ny mahazo ny mpitatitra  satria tsy ny fiara rehetra no manao an’ilay toetra tsy mamerim-bola na tsy manaja mpandeha. Anisan’ny miteraka olana koa satria izahay tsy tompon’ny fiara ka manjary manana olana, mety ho very asa mihitsy raha vao misy simba ny fiara fiasanay” hoy kosa I Rindra mpitatitra ao amin’ny zotra E.

Mila fandraisana andraikitra isaky ny tomponandraikitry ny koperative araka izany ny manara-maso sy miahaino ny fitarainan’ireo mpandeha mba hisorohana ny tranga tahaka izao niseho tao amin’ny zotra H izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire