Etats-Unis : Ny faharanitan-tsaina amin’ny fiteny arak’i Howard Gardner
Nametraka i Howard Gardner fa maro karazana ny faharanitan-tsaina. Anisan’izany ny faharanitan-tsaina amin’ny fiteny (Intelligence linguistique).
Raha ny famaritan’io « Psychologue » momba ny fampandrosoana io dia fahaiza-mampiasa sy mahazo ary manavaka ny teny ny faharanitan-tsaina amin’ny fiteny. Mihatra amin’ny fanoratana, ny fanitsiana ary ny fandikana teny izany. Voakasik’izany avokoa ny fihainoana, ny famakiana, ny fitenena ary ny fanoratana. Entina mahazo ny hafa io fahaizana io na amin’ny fitenin-dreny na amin’ny fiteny hafa.
Ny faharanitan-tsaina amin’ny fiteny dia fahatakarana fa misy fiantraikany amin’ny fihetseham-po ny teny ary entina hamahana olana ihany koa. Ireo mpanoratra, poeta, mpisolo vava, mpikabary matetika no manana faharanitan-tsaina amin’ny fiteny ambony.
