ActualitésSocialTsidika

Ambohimangakely: Jiolahy roa lahy saron’ny zandarimaria

Jiolahy roa lahy ahiahiana ho isan’ny nandray anjara tamin’ny fanafihana mitam-piadiana no saron’ny zandary avy ao amin’ny brigadin’ny zandarimaria Ambohimangakely, poste avancé Soamanandrariny, ny 30 jolay vao mangiran-dratsy.

“Raha tsiahivina dia jiolahy miisa 06 tsy nisaron-tava, nitondra sabatra, barre à pince, vato no nanafika tokantrano iray teny Tsitiamainty, Tsarahasina Ambohimangakely, ny alin’ny 19 hifoha 20 jolay 2023  teo tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Noratrain’izy ireo ny tompon-trano ary vola mitentina 360.000 Ariary, finday miisa 03, radio 01, jiro panneau solaire 01 no lasan’izy ireo tamin’izany” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

“Rehefa naseho ireo olona niharan’ny fanafihana ireto voasambotra ireto dia tadidin’izy ireo tsara ny endriny satria tsy nanao saron-tava izy ireo tamin’ny fotoana nanaovany ny asa ratsiny. Marihina fa tao anatin’ny hafatra miafina amin’ny tambajotran-tserasera no nahazoana ny angom-baovao nahitana izao vokatra izao” hoy hatrany ny fanazavana.

Mampiasa ny fitaovan-tserasera rehetra, ahafahana manangom-baovao ho fanenjehana ny mpanao ratsy ny mpitandro filaminana. Anisan’izany ny tambajotran-tserasera facebook. Izy ireo ihany koa izay tsy mitsahatra ny manentana ny mponina mba hiara-hiasa, hifanome vaovao raha misy ny tranga mampiahiahy eny amin’ny fiaraha-monina eny.

Manitra R.

Laisser un commentaire