ActualitésTatitra

Maurice : Tontosa soa aman-tsara ny dia voalohan’ny Mauritius Trochetia nankao Rodrigues

Nanomboka ny 18 jolay teo no niverina niasa ny zotra an-dranomasina nampitohy an’i Maurice sy Rodrigues. Ny sambo Mauritius Trochetia izay mazaka mpandeha 108 farafahabetsany no niasa tamin’izany. 84 isa ny mpandeha voalohany nandritra izany ary nilaza ny tale mpitantana ny MSCL (Mauritius Shipping Corporation Ltd), Dineshrao Babajee fa heverina mbola hiakatra izany isa izany amin’ny dia manaraka.

Mora kokoa ny saran-dalan’ny zotra an-dranomasina hoy i Suresh Bhim, isan’ireo mpandeha voalohany. Tsara ihany koa hoy izy ny tolotra. Marihana fa mihaja ny « cabines» ao amin’ny sambo, misy ny toeram-pivoahana, toeram-pidiovana, fahitalavitra, « mini-bar » ary kafe na dite maimaimpoana izany.

Ankoatran’ireo dia misy ihany koa ny sakafo maraina, atoandro ary hariva ; ny Entertainment Corner ary ny Duty-Free ao amin’ny sambo.

Laisser un commentaire