SocialTatitra

France: Andian’olona nisaro-tava nanafika ireo polisy mpanao fisafoana

Polisy mpanatanteraka fisafoana no notafihina andian’olona, telopolo mahery, nisaro-tava tany Eure, France. Tsy fantatra mazava ny anton’ity fihetsika nataon’ireo andian’olona ity. Nitoraka tamin’ny vato ireo polisy izy ireo tao anatin’izany, ary nirarakopana mihitsy. Ireo polisy izay nanao fisafoana ho fampandrian-tany. Naharitra fotoana maro izany fihetsika izany, ary tsy nisy ny aina nafoy nandritra izany. Miandry ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny fitsarana any an-toerana no ahalalana ny anton’izany sy ireo olona nanao ity fihetsika ity.

Laisser un commentaire