ActualitésTatitra

Etats-Unis : Tsy voafehin’ireo tompon’andraikitra ny fiazonan’ireo sivily basy

Nisehoana tranga fifampitifirana indray tao Etats-Unis ny alatsinain’ny paska teo. Nisy niantso ny manam-pahefana ny marain’io andro io fa nisy lehilahy iray nanokatra ny fifampitifirana tao amin’ny banky iray tao Louisville, tanàna lehibe iray ao Kentucky. Nahafaty olona dimy io lehilahy io, ary nandratra olona enina.

Mbola tao amin’ny toerana nitrangan’ny loza kosa ilay lehilahy nitifitra io tamin’ny fotoana nahatongavan’ny manam-pahefana tao an-toerana raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny polisy, Paul Humphrey. Nanamafy izy fa raikitra ny fifampitifirana teo amin’io mpanafika io sy ny manam-pahefana ka lavon’ny balan’ny polisy ilay lehilahy.

Tsy voafehin’ireo tompon’andraikitra kosa ny fiazonan’ireo sivily basy ao Etats-Unis ka mirongatra ny tranga fifampitifirana samihafa. Raha ny tatitra dia tsy efa niasa na mpiasa tao amin’io banky notafihany io ilay nahavanon-doza. Mitohy kosa ny fanadiadiana manoloana ny raharaha.

Laisser un commentaire