France : Mangataka ny hanamafisana ny fitandroana ny filaminana ireo mpino silamo
Nangataka tamin’ireo prefet, ny hanamafisana ny fitandroana filaminana, mandritra ny fotoanan’ny Ramadan, ny ministry ny atitany, ao Frantsa. Hanomboka ny alatsinainy izao ny fotoanan’ny ramadan, ho an’ireo mpino silamo ka mangataka ny hametrahana mpitandro filaminana eny amin’ireo toeram-pivavahan’ny silamo, mialohan’ny ahatongavan’ny mpino sy ny fialana amin’ny toeram-pivavahana ity ministra ity. Tahaka izany ihany koa ny alina hankalazana ny fetin’ny Aïd-el-fitr, hankalazana ny famaranana ny fetin’ny ramadan ny 5 aprily. Nampatsiahivin’ity ministra ity, fa nihanitombo ny fandrahonana ataon’ireo mpampihorohoro ao France, ary mihamafy ny fiantraikan’ny ady eo amin’ny Israely sy Hamas maneran-tany ka mila fitandremana manoloana ireo fihetsiketsehana ara-pinoana samihafa.
