ActualitésTatitra

La Réunion : Tonga ao an-toerana i Karim Benzema

Nigadona tao La Réunion ny talata 29 novambra teo ilay mpilalao baolina kitra Karim Benzema. Raha tsiahivina dia tsy afaka niatrika ny lalao baolina iraisam-pirenena ao Qatar izy nohon’ny ratra nahazo azy. Nanazava nefa ny loharanom-baovao iray fa efa afaka mihazo ny ekipan’i France izy.

Nisafidy ny haka aina ao LaRéunion nefa izy niaraka ny Kartel Prod. Hijanona ao amin’ny nosy mandritra ny andro maromaro io mpilalao nahazo ny « Ballonn d’or » 2022 io. Marihana kosa fa efa tsy vao voalohany i Karim Benzema no nandalo tao La Réunion.

Laisser un commentaire