Ambohimanga Rova : Nisy ny fizarana PPN ho an’ireo fianakaviana sahirana
Nandritra ny fanatanterahana ny asa sosialy izay fanaon’ny fiangonana iray ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova, isaky ny fety, no nizarana vatsy ho an’ireo fianakaviana sahirana tao an-toerana. Fianakaviana sahirana miisa 100 no nahazo ny tolotra nandritra izany, araka ny voalaza.
« Efa fanaon’ny avy eto anivon’ny fiangonana hatrany ny mahatsiaro ireo olona sahirana ety an-toerena amin’ny fotoana tahaka izao. Ary tena manampy azy ireo tokoa satria iaraha-mahalala fa sarotra ny vanim-potoana lalovana sy iainana amin’izao fotoana izao » hoy ireo tompon’andraikitra amin’ny hetsika.
« Samy nahazo ny anjarany avokoa moa ireo isaky ny zana-paritra, toa an’Antampon-tanana, Mananiera, Befila, Ambavahady, Ankazomalaz,a Ambohibololona, Alakamisy, Imanja , Vakinampasika, Andranomatsatso sy ny maro hafa » hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.
Anisan’ny zava-dehibe tokoa ny hetsika tahaka izao kanefa na izany aza, ilaina ihany koa ny fitondrana vahaolana entina hamahana ny fahasahiranana ny mponina eny ifotony toy ny fanomezana asa isan-karazany ahafahan’ireo mponina mivelona, miala amin’ny fahasahiranana mba tsy hiandry tolorana lalandava.
Manitra Ramanantsoa
