Mitohy ny fifandraisana eo amin’ny Madagasikara sy ny firenena Indianina
Efa folo taona mahery no nisian’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny firenena indianina. Nanamafy orina ny sehatry ny fanabeazana teto amitsika izy ireo, ary nitondra fanampiana ara-tsosialy tamin’ireo toerana maro teto amin’ny firenena ihany koa. Efa nanampy ny fanjakana Malagasy teo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra sy ny nomerika ary ny sehatra maro isankarazany ihany koa ny firenena indianina. Raha tsiahivina, efa nisy indianina tonga teto Madagasikara ary nanorim-ponenana fotoana maharitra teto tamin’ny fiandohan’ny tantaran’ny Nosy mihitsy. Anisan’ny niandohan’ny razambean’ny Malagasy izy ireo ankoatra ny arabo sy ireo maro samihafa nonina teto amin’ny firenena. Mbola maro amin’ny mponina eto Madagasikara no tsy mahafantatra izany ka antony nanaovana hetsika manokana hampahafantarana ny rehetra ny tantaran’ny fifindra-monina nataon’ireto firenena ireto teto amintsika. Nanomboka ny asabotsy 27 martsa ka hatramin’ny alakamisy 3 aprily araka izany, hisy ny fampahafantarana manokana mahakasika io tantara io eny tsaralalana. Ilaina tokoa mantsy ny fanomezana anjara ny tsirairay amin’ny fahafatarana ny tantaran’ny Madagasikara sy Inde. Tanjon’ny hetsika ny fampivoarana ny lafim-piarahamiasa eo amin’ny roa tonta amin’ny alalan’ny fahafantarana ny tantara.
Fanilo Rarivoarilala
