Nihitatra tamin’ny trano telo ny fahamaizana
Nisehoana hain-trano goavana indray teny Ankadifotsy Befelatatanana ny 15 septambra teo tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro. Trano gasigasy ilay may ary niampita tamin’ny trano roa hafa ny fahamaizana tao ambadiky ny mpivarotra Rafafison.
« Nihitatra tamin’ny trano telo ny fahamaizana satria ela ny mpamonjy voina vao tonga » hoy i Ando, mponina eny amin’ny manodidina. « Sarotra ny nahitana rano namonoana ny afo satria sady faritra mijaly rano no elakelan-trano no misy ilay trano may, hany ka sarotra ny nidirana tao ka nandany ny fotoana kely » hoy ireo mpamonjy voina.
« Ny tsy fitandremana sy ny tandrevaka no tena mampitombo ny hain-trano tato ho ato ka tokony hitandrina hatrany manoloana ny fitaovana iray mety hitarika fahamaizana » hoy i Yollande, mponinaeny Ankadifotsy Befelatatanana. Marihina fa « court-circuit » no nahatonga izao fahamaizana izao, hoy ny mpamonjy voina.
Inona no tetik’ady hanafainganana ny fomba fiasan’ny mpamonjy voina ?
Nicole Rafalimananjara
