ActualitésTsidika

Tsy himemotra fa hiroso hatrany ireo avy ao amin’ny antoko mpanohitra

Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny avy ao amin’ny antoko RMDM ny 15 septambra lasa teo tany Anstirabe mikasika ny hetsika ho ataony amin’ny maha mpanohitra azy. Ny Pastera Tsarahame Edouard no nitarika ny resaka nandritra izany.

« Nisafidy ny hametraka jadona ny mpitondra, ka amin’ny anaran’ny RMDM iray manontolo no anamelohana tanteraka ny jadona tadiavina hapetraka eto amin’ny firenena » hoy izy ireo nandritra izany. « Izahay tsy hijanona amin’izao intsony fa hiroso mandrapaha-tanteraka ireo fehin-kevitra nivoaka tamin’ny 23 sy 24 jolay teny By Pass, ary io no vahaolana hitan’ny maro na dia tsy mety aminareo aza. Amin’ny 1 Oktobra hoavy izao dia hidina ny Morondava izahay, ary manasa anareo mpitandro filaminana hiaraka aminay, satria izay alehanay dia misy anareo daholo. Ekenay ny fisian’ny mpitandro filaminana fa tsy ekenay ny hanaovana azy ireo ho herim-pamoretana » hoy i Pastera Tsarahame Edouard.

« Efa manjary mankaleo mihitsy ity ady lava amin’ny politika ity, tsy hay hoe rahoviana vao ho tapitra ny ady ka hilamina ny firenena » hoy i Ravo, mpivarotra hani-masaka eo Mahamasina. Anjakan’ny didy jadona tokoa ve eto amin’ny firenena ? Manjaka tokana ve ny fitondrana sa ny mpanohitra no manohitra be fahatany ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire