ActualitésTsidika

Omby tsy mari-pototra tratra tao Mandoto

Nahatratrarana omby 9 amin’ireo 32 isa tsy misoratra anaty bokin’ombiny tao amin’olona iray. Zandary manao fisafoana ny kizo mamefy ny rindrina avaratry ny fari-piadidian’ny zandary ao Mandoto no nahita andian’omby maromaro.

« Rehefa nahita anay zandary ny mpiandry omby sy ireo tompon-tanàna dia nozarain’izy ireo roa ny andian’omby ary nalefany lavitry ny tanàna, nanome baiko ny GPHC Randriamananjara nitondra ny ekipa, naniraka ireo mponina hitondra ireo omby rehetra teo hatao fisavana ; ary ny komandin’ny vondron-tobim-paritra, ny Kapiteny Irinjaka Rabemananjara indray no nanome baiko hitondrana ny omby ho ao Morafeno hanaovana fisavana hentitra » hoy ny zandarmaria.

« Any Antananarivo ny tompon’ireo fa izahay miasa fotsiny, tsy mahalala ny amin’izay resaka bokin’omby izany akory izahay » hoy i Rivo mpiandry omby. Voalazan’ny tompon’andraikim-pokotany ao an-toerana fa « Notanana avy hatrany ireo lehilahy ireo ary ny omby kosa nampidirina ambala ».

« Efa nahavita ezaka goavana be ny zandarmariam-pirenena amin’ny fanaraha-maso tahaka izany, ka isaorana azy ireny amnonkana, indrindra tsy fahalavon’izy ireny amin’ny resaka kolikoly », hoy i Miranto mpandinika fiaraha-monina.

Tsy ny amin’ny faritr’i vakinakaratra irery no ilaina fanaraha-maso tahak’izany amin’ny resaka omby fa ny atsimo be asan-dahalo koa indrindra. Ilaina ezaka goavana avy amin’ny mpitandro filaminana rehetra anefa izany fa tsy ny zandary ihany.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire