ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Hifanome tanana amin’ny kaominina Fiaferana amin’ny fanamboarana lycée

Hifanome tanana ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny kaominina Fiaferana amin’ny fanamboarana ny Lycée d’enseignement general Fiaferana Fahombiazana. Araka ny voalaza, sekoly mahazo vokam-panadinam-panjakana tsara, mihoatra amin’ireo sekoy hafa ao an-toerana ity sekoly ity, mahatratra hatramin’ny 70% izany taha izany ho an’ny voka-panadinana bakalorea farany teo.

« Mifanila sy mifanakaiky amin’ny fokontany Andranovelona ity sekoly ity ary maro ireo ankizy avy eto amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy no mandrato fianarana eto. Izany indrindra no anton’ny fifanomezan-tanana eo amin’ny kaominina roa tonta mba ahafahana mampitombo ny isan’ny efitrano fianarana ary hahafahana mandray ihany koa ireo ankizy misafidy ireo taranja vaovao nampidirina ao anatin’ny fandaharam-pampianarana » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Ahafahana mamaly ny tombotsoam-bahoaka, tsy maintsy misy ny fifanampiana hahafahana mitondra ny asa fampandrosoana, ao anatin’ny firalahiana tanteraka.  Ny tanjona amin’izany dia ny hamitana ny efitra fianarana roa hianarany ankizy ao aminy lycée. Ary miantso ireo namana sy mahalalatanana hifanampy amin’ny famitana izany » hoy ny ben’ny tanàna ao Akandikely Ilafy.

Ao anatin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny filoham-pirenena ihany koa no anton’izao fametrahana foto-drafitr’asa hiraisana izao, dia ny « Fampianarana ho an’ny rehetra », izay mendrika ireo mpianatra malagasy tokoa ny hianatra anaty efitra malalaka sy manaraka ny fenitra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire