ActualitésTsidika

Fanabeazana : Nahazo trano famakiam-boky miisa 14 ireo ankizy eny amin’ny faritra ambany

Nisitraka efitrano famakiam-boky miisa 14 ireo ankizy eny amin’ny faritra iva eto amin’ny Kaominina manodidina an’Antananarivo. Fanomezana avy amin’ny fikambanana mampiroborobo ny boky sy ny fanoratana eto Madagasikara izany ka natolotra ny kaominina Itaosy, Andranonahoatra, Ambavahaditokana ary Ambohidrapeto. Miisa 14 ity toerana famakiam-baoky hapetraka ireto ary eny anivon’ny fokontany amin’ireo kaominina ireo no ahitana azy.

« Tanjonay tamin’ny fametrahana ireto toerana ireto dia ny mba hampitombo ny fitiavan’ny ankizy ny famakiana boky satria mitondra faharanitan-tsaina sy manome fahaizana izany. Amin’ny fisian’ireto toerana 14 ireto dia miisa 33 522 ireo ankizy no hisitraka indray izany tombontsoan’ny famakiana boky izany na dia eo azan y tsy fahafahan’ny Ray aman-dReny. Fandraisana anjara amùin’ny fikarakarana ny toerana kosa dia 400ar isaky ny ankizy no aloha isan-taona », hoy ny tompon’adraikitry ny Fikambanana.

« Tombontsoa ho an’ny ankizy sy ny tanora ny fisian’izany toerana famakiana boky ity. Hampahafantarina amin’ny vahoaka mihitsy ny fisiany mba hampitombo ireo ankizy mila mampitombo ny fahaizany. Azo lazaina ho maimaim-poana ny fisitrahana izany toerana izany ka tokony tsy hanana olana ny rehetra. Maro ihany kosa ny boky ho hita ao ary amion’ny karazany maro ka hahazo ny anjarany avokoa ny rehetra », hoy ny Ben’ny tanànan’Itaosy tamin’ny lahateniny.

« Tamin’ny mbola kely rehefa te hamaky boky dia mividy lafo foana ny Ray aman-dReny, indraindray ny gouter no hangonina mba hividianana. Mahafinaritra ny fahitana izao toerana izao mba tsy mandeha alavitra intsony ny zanakay, mahasoa mihitsy ny mamaky boky ary hahaizana zavatra maro », hoy i Michelle, renim-pianakaviana mipetraka eny Itaosy.

Mahavelombolo ny mahita zavatra toy izao, tokony ampian’ny fanjakana tosika ny ezaak toy izao ary haparitaka manerana ny fokontany rehetra. Maro ny tombontsoa ateraky ny famakiana boky ka dieny mbola kely ny ankizy dia zarina ho tia boky. Tsy mifidy io na boky amin’ny fiteny Malagasy na vahiny satria tsar any mahafehy izany rehetra izany araka ilay fiteny hoe « andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko ».

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire