France : Olona maherin’ny 200 isa no voasambotra tao an-toerana
Olona maherin’ny 200 isa no voasambotra tao France taorian’ny lalao famaranana ny fiadiana ho tompondaka eran-tanin’ny baolina kitra ny alahady teo. Raha tsiahivina dia nisehoana trangan’herisetra goavana tao an-toerana taorian’ny faharesen’ny ekipam-pirenena manoloana an’i Argentine.
227 isa teo no nosamborina raha ny tatitrin’ny minisitry ny atitany tao an-toerana ny alatsinainy teo. Tao Paris ny 47 tami’ireo ary tao Lyon ny 15 teo. Nifampitoraka sy nitoraka manam-pahefana ary nanimba fananana iombonana ny ankahamaroan’ireo olona nosamborina ireo. Nisy ihany koa fifandonanan’ny sivily tamin’ny manam-pahefana. Marihana fa nisy zaza tsy ampy taona tamin’ireo olona vosambotra ireo.
