France : Notre Dame de Paris, roa taona taty aorian’ny nahamay azy
Nahasimba tanteraka an’i Notre Dame de Paris ilay fahamaizany nandritra ny 15 ora be izao tamin’ny 15 sy 16 Aprily 2019. Efa maherin’ny 200 ny mpamonjy voina nanatanteraka ny famonoana afo tamin’izany. Betsaka ny simba nandritra izany fa mbola mijoro foana ny tranobe izay isan’ireo vakoka frantsay sy tena mampalaza azy ary indrindra misintona ireo mpizaha tany any an-toerana satria efa nisy nandritra ny 850 taona. Mitohy ny fanarenana ireo ravan’ny afo na dia eo aza ny valan’aretina Covid-19 dia mandroso hatrany ny asa. Roa taona aty aoriana, am-panatontosana ny fanavaozana ny katedraly, izay atomboka ny fahavaratra 2021 izao izany fanavaozana azy mba hamirapiratra indray na dia efa nanomboka ela aza ny fanarenana azy. Kendrena ho vita mialohan’ny handraisan’i Paris ny lalao olaimpika amin’ny 2024 izao izany fanatsarana ny efa nisy izany.
