ActualitésTsidika

Alasora : Hisy ny fahatapahan’ny lalana ny 24 novambra hatramin’ny 6 desambra ho avy izao

Ho tapaka ny lalana eo Ambohimanandraisoa sy Ambodivondava ny 24 novambra hatramin’ny 6 desambra ho avy izao noho ny fanamboaran-dalana atao any an-toerana. Haharitra kely ny fanamboarana ka mangataka ny mponina hilamina tsara ny avy ao amin’ny kaominina.

 « Misaotra antsika sahady amin’ny faharetana ho fampandrosoana ny kaominina satria miaritra kely andro vitsivitsy dia hisitraka tombontsoa isika rehetra mandritra ny fotoana ela » hoy ny ben’ny tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Tena ela loatra kosa ilay fanamboarana kanefa ny lalana tena ilaina, mila ny fanaraha-maso avy amin’ireo tompon’andraikitra ihany fa sao ela loatra ny fomba fiasan’ireo mpiasa sy mpanao lalana ireo » hoy i Raveloarison, mponina any an-toerana.

« Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fahavitan’ny lalana ka tsara raha vita tsara izy satria ny asa maharitra no tena takiana amin’izany fampandrosoana izany » hoy i Jacky, mponina ao Alasora. Miantoka indrindra ny fampandrosoana ny faritra na ny firenena iray ny lalana mba hahafahana mitatitra ireo vokatra misy ao an-toerana ka hampiakarana ny tahan’ny toe-karena ao aminy. Tokony tena laharam-pahamehana noho izany ny lalana ary lalana maharitra tsy mora simban’ny fahavaratra no tena ilaina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire