ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola : Mitohy ny fitetezam-paritra ataon’ny zandarimaria

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, izay tarihin’ny commandant de poste (CP) ao an-toerana. Ny alarobia teo, tao amin’ny fokontany Ambohimanambola tanàna indray no nanatanterahana ny fanentanana mahakasika ny tanamaron’ny fandriam-pahalemana.

« Fampahafantarana sy fampianarana ireo mponina momba ny fandriampahalemana, ny tsy azo atao sy ny tsy maintsy atao manodidina izany, mba tsy hampanaonao foana azy ireo amin’ny lafiny rehetra noho ny tsy fahalalana no natao nandritra ity fotoana ity. Teo ihany koa fametrahana ny fiaraha-miasa tokony hisy eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana mba hisian’ny fandriampahalemana maharitra » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Ao anatin’ny fanentanana amin’ny tanamaron’ny fandriam-pahalemana ihany koa dia misy ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Ity farany izay iaraha-mahalala fa tena manimba ny ankamaroan’ny tanora amin’izao fotoana » hoy hatrany ny fanazavana.

Tonga maro ireo mponina tao amin’ny fokontany nanatrika ity fotoana ity. Mahaliana ny mponina ary mampientana azy ireo ny lafin’ny tsy fandriam-pahalemana. Naneho fahavononana ihany koa izy ireo hiara-hiasa amin’ny zandary ao anatin’izany. Azo antsoina amin’ny laharan-tariby 0342400278 moa ny PA Ambohimanambola, 0344378708 kosa no ahazoana ny CP Ambohimanambola.

Manitra R.

Laisser un commentaire