SocialTatitra

Nouvelle-Zélande : Avotra ihany ireo “Dauphin-pilotes” voafandrika.

Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny mpamonjy néo-zélandais nanavotra ireo « Dauphin-pilotes » voafandrika tamin’ny sisin-tany. Mbola mijanona eny amin’ny manodidina foana anefa ireto karazana trozona ireto ka atahoran’ny mpamonjy voina ho voafandrika indray. Nohamafisin’ny ministeran’ny fiarovana (DOC) fa tao Farwell Spit, lelam-pasika mirefy 90 kilometatra avaratr’i Nelson, toeram-pizahan-tany no nahitana ireo trozona ireo ny alatsinainy 22 febroary. Maherin’ny 40 no efa voaverina an-drano ny alatsinainy hariva ihany. Niverina voafandrika indray anefa izy ireo raha vantany vao tafaverina an-drano. Maherin’ny 60 ireo olona nanolo tena hamerina ireo trozona 28 niverina voafandrika ireo indray. 15 tamin’ireo trozona ireo kosa no maty raha araka ny vaovao voaray. Tsy vao izao no nahitana trangan-javatra toy izao. Ny volana febroary 2017, manodidina ny 700 ny trozona nihitsoka tamin’io lelam-pasika ao Farwell spit io. 250 no maty tamin’izany fotoana izany. Tsy mbola mahita fanazavana marina amin’ny mety ho antony mahatonga ireo trozona hiditra amin’io toerana io ireo siantifika hatramin’izao. Miezaka hatrany anefa ireo mpamonjy voina mamerina an-drano ireo izay voatazon’ny fasika amin’io toerana io.

Laisser un commentaire