Etats-unis : Hanao fanambarana amin’ny firotsahany ho fidiana ny taona 2024 I Donald Trump
Hanao fanambarana amin’ny firotsahany ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2024 I Donlad Trump, ny alahady ho avy izao. Niandry fotoana hisehoany amin’ny vahoaka ity filoham-pirenena amerikana teo aloha ity. Io fanambarana ireo arak’izany no nataony volohany taorian’ny nandaozany ny lapam-panjakana amerikana. Raha araka ny fampahalalam-baovao nomen’ny olona iray akaiky azy, efa manomana ny firotsahany ho fidina ho filoham-pirenena amerikana indray I Donald Trump. Tia hampiseho izy fa mbola vitany ny mibaiko ny antoko nanohana azy nandritra ny fifidianana farany teo, hoy hatrany io mpampita vaovao akaiky azy io. Mbola hanano sarotra ho azy ny hiverina eo amin’ny fitondrana hoy mpampanoa lalàna amerikana. Nanao fangatahana ny tsy hisavana ny antontan-taratasy mahakasika ny orinasan’I Donald Trump ny mpisolo vava azy ny alatsinainy 22 febroary saingy nolavin’ny teo anivon’ny tribonaly izany. Andrasana arak’izany izay ho vontoatin’ny fanambarana ataon’ity filoham-pirenena teo aloha ity.
