Etats-Unis : Mirongatra hatrany ny Covid-19.
Mitombo hatrany ny fahafatesan’ny olona nohon’ny trangan’aretina COVID-19 ao Etazonia, efa nahatratra 5 alina ireo olona maty tany an-toerana hatramin’ny nisian’ity valan’aretina ity. Nanatanteraka 1 minitra fahanginana ho an’ireo nodimandry omaly 22 febraory, ny Filoha Joe Biden manoloana izany . Namafisiny ihany koa tamin’ny lahateny izay nataony ny tokony hanajana ireo fepetra fiarovan-tenan’ny tsirairay.
