Etats-Unis : Te hanome fanantenana ireo mpifindra monina any Mexique sy Guatemala i Kamala Harris
Niala tao Washington ny alahady 6 mai lasa teo i Kamala Harris ho any Guatemala sy Mexique. Dia iraisam-pirenena voalohany nataon’ity filoha lefitra ity, izay nilaza fa te hanome fanantenana ireo farintany izay tena hiavian’ny mpifindra monina betsaka indrindra mankao Etats-Unis. i Joe Biden anefa efa nanaraka antontan-taratasy maro mikasika ny fifindra-monina tsy ara-dalàna nanomboka ny martsa lasa teo. Te hanangana paik’ady matotra sy mahomby tsara ankehitriny i Kamala Harris mba hisorohana ny fisian’ny mpifindra monina aman’arivony izay manasarotra ny fanombohan’ny taom-piasan’ny filoha demokraty. Asa izay tena sarotra hoy i Michael Shifter, filohan’ny centre de reflexion Inter-American Dialogue. “Mila omentsika fahatsapana sy fanatenana ireo olona ireo hoe ho avy ny fanampiana, ary mihatsara io raha mijanona any amin’ny tany niaviany ihany izy ireo” hoy hatrany ity tompon’andraiki-panjakana teo aloha ity.
