ActualitésTsidika

Anjeva : Fiara fitanterana olona iray no niharan’ny lozam-pifamoivoizana

Fiara fitanteram-bahoaka iray no niaran’ny lozam-pifamoivoizana ny asabotsy 20 aogositra 2022 lasa teo tao Anjeva. Tena maro dia maro tokoa ny lozam-pifamoivoizana amin’izao ka mila mitandrina hatrany, raha ny voalazan’ireo mponina dia matetika misy lozam-pifamoivoizana eto amin’ity toerana ity ka mila mitandrina ny mpamily rehefa manomboka eo Ambatomanga. Marihina moa fa nohon’ny hakelin’ny làlana no nahatonga ity loza ity hoy Rado mponina eny an-toerana. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy, ary efa nahazo fitsaboana avokoa ireo olona naratra rehetra. Mila mitandrina avokoa ny rehetra manoloana ny loza mety hitranga indrindra amin’izao vanim-potoana fialan-tsatra izao. Aleo misoroka toy izay mitsabo.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire