Betsaka ny soa entin’ny ravim-bomanga
Zava-maniry isan’ny tena manasitra aretina maro ny ravim-bomanga. Fanafody ho an’ny rera-dava, aretim-po, tapaka lalan-drà, kohaka, poizina ao anaty, ny famosaviana, ny taova mikorotana ary ny areti-mandringana izy. Mora anefa ny vidiny eny an-tsena kanefa tena mahsitra tokoa amin’ny fomba tsotra.
Ampangotrahina amin’ny rano 7 litatra mandritra ny 7 minitra ny ravim-bomanga 7 isa voadio tsara. Maka telo kaopy avy eo izay sotroina maraina sy atoandro ary hariva ka ny ambiny kosa dia evohana. Ilay avy nievohana iny kosa indray no handroana sy hisasana ny loha hatrany amin’ny faladia ka tsy mampiasa savony sy tsy azo tapohina ilay rano. Atao ireo mandritra ny telo andro misesy.
Raha toa ka ilay harerahana no tiana hotsaboina dia rano iray litatra ihany no atao amin’ny ravim-bomanga 7 isa ka atao toy ny rano fisotro mihitsy. Ravim-bomanga 3 izay voasasa tsara kosa no ampiasaina raha sempotra. Tsakoina maharitra ao am-bava ary atelina avy eo na koa totoina ny ravim-bomanga ka atao izay azahoana ranony 1 sotro fihinana dia sotroina vao maraina mandritra ny 3 andro koa. Raha poizina ao anaty dia mitsako ilay raviny 3 koa fa raha efa naharitra sy betsaka ilay poizina dia maka ilay ranony 3 sotro fihinana ihany ka afangaro ao ny tamenak’atody gasy 1, kapohina tsara dia ampisotroana ilay voapoizina fa ho afaka ny poizina. Raha areti-mifindra na areti-mandringana dia mahandro vomanga mena toy ny mahazatra ary rehefa masaka sy ritra dia bataina eo afovoan-trano io ary sokafana ny sarom-bilany dia manodidina eo toy ny mievoka ny mpianakavy ho fiarovana ny areti-mifindra. Marihina fa misy calcium sy vitamin ny ravim-bomanga ka tena tsara hohanina isan’andro na ho atao ro-matsantso aza.
Nicole Rafalimananjara
