ActualitésTsidika

FCE Fianarantsoa : Nandeha ifotony nijery ny olana ny Minisitra

Tonga nitsidika ny FCE na « Fianarantsoa vers la Côte Est » ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro nijery ifotony ny olana sedrain’ny mpiasa ao an-toerana. Nikaroka sy nifandinika ko izy ireo ny amin’izay vahaolana maharitra afaka aroso ato amin’ity orin’asa ity.

Raha hiverenana kely mantsy ny tantara dia nitaraina ireo mpiasa tao an-toerana fa tsy nahavaha olana ilay lohamasinina vaovao satria tsy maintsy mbola mifampitarika amin’ilay tranainy ihany izy. Nimenomenona koa anefa ireo olona ny amin’ny fiakaran’ny saran-dalana satria niakatra avo roa heny be izao ny sarany ary ny mpandeha dia tsy maintsy mandoa saran’entana na tsy mitondra izany akory aza, noho izany indrindra no nanosika ity minisitra hidina an-tsehatra ka hamaha ny olana.

« Zava-dehibe ho anay ny fandehanana ifotony ataon’ny minisitra toy izao ary inoanay fa hitondra fiovàna eto amin’ny fitanterana amin’ny fiaran-dalamby izany, ny tanjona nandritra ny dinidinika sy ny fihaonana dia ny mba hisian’ny vahaolana maharitra sy hahafantarana ny tena lesoka » hoy i Feno, mpiasa ao an-toerana.

« Ho vahana faran’izay haingana ny olana ary ezahina mba ho vahaolana maharitra izany, izany no tao dia mba ho fanampiana ireo mpiasa mba tsy ho sahirana lalan-dava amin’ny famahana olana irery, ary mba ho tombon-tsoa ho an’ny mpandeha ihany koa, tsy manakana ny fivezivezena aloha hatreto izany fa ho tanterahina mian-dalana eo ny atrik’asa » hoy ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Tinoka Roberto.

« Tsy ny fanoloana ny lohamasinina foana no vahaolana fa eo koa ny fijerena sy fanamboarana ny simba, ny fanaraha-maso ireo mpiasa koa anisany zava-dehibe maba tsy hian’ny antsirambona sy ny gaboraraka, ny finivana avy amin’ny mpiasa koa tena ilaina mba hisian’ny olana » hoy kosa i Mihaja, tekinisianina momba ny fiaran-dalamby.

Efa zava-dehibe ny fahatongavan’ny mpitondra fanjakàna aty an-toerana fa ny tena andrasana sisa diany fivahan’ny olana. Mety tena hisy vahaolana maharitra toakoa ary ve ny akon’izao fandalovan’ny minisitra izao sa famonoana lolo fotsiny ihany ?

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire