Jirama : Tsy maintsy mivadika ho « compteurs prépayés » ny an’ireo andrim-panjakana
Nisy ny fanambarana vaovao avy amin’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo fa tsy maintsy avadika ho « compteurs prépayés » (aloa ny vola vaomandeha ny jiro) amin’izay ny an’ireo andrim-panajakana rehetra. Manana hatramin’ny faran’ity taona ity izy ireo ahafahany manova izany « compteurs » izany.
« Tsy maintsy ovaina ny fomba fandaniana eny anivon’ireo andrim-panjakana isan-tokony satria anisan’ny miteraka tsy fahampiana herinaratra ihany koa ny fandaniana mihoampampana. Ny orinasa Jirama no hanatanteraka ny asa fanovana ny “compteurs”ary hiova ho “mode prépayés” fotsiny ihany ho an’ireo izay tsy mila soloina ny “compteurs”. Hotazomina ny herin’ny herinaratra miasa raha tsy misy ny fanagatahana ny fampiakarana izany ka ahazoana alalana avy amin’ny tompon’andraikitar », hoy ny avy ao amin’ny Ministera.
Ity stratejia iray dia natao indrindra handoavana ny vola mialohan’ny hampiasana azy. Hanampiana ny fanjakana ihany koa hampihena ny trosany amin’ity orinasa Jirama ity. Mitentina 305 milliards ariary amin’izao fotoana ny trosan’ny Fanjakana amin’ity orinasa ity izay anisan’ny miteraka ny fahatapahan-jiro lava reny.
« Ny fanjakana ve no tsy mahaloa trosa sy vidin-jiro di any vahoaka madinika no mizaka ny fahatapahan-jiro matetika. Manimba ny asa fivelomana sady manimba ny fidiram-bola izany ka aiza no tokony hitady vahaolana”, hoy ny fimenomenonan-dRabenatoandro, mponina eny Ankorondrano, ahitana fahataphan-jiro ora in-4 isan’andro.
Raha voaloa ve anefa ireo trosan’ny Fanjakana sy ny trosan’ny olon-tsotra rehetra dia azo antoka ny tsy fahatapahan-jiro intsony ? Tokony ho samy tompon’andraikitra ny tsirairay ho tombon-tsoan’ny rehetra.
Miora Raharisolo
