Ravalomanana Marc : Mahatsiaro ny fotoana nialany teo amin’ny fitondrana
12 taona katroka ny 17 martsa 2021 lasa teo ny nametrahan’ny filoha Ravalomanana fialana teo amin’ny fitondrana. Nahitam-pihainana ny harinkarena sy ny sehatra ekonomika nanomboka tamin’ny savorovoro sy korontanan ny taona 2009. Latsaka tao anatin’ny fahaterena lalina ny firenena ka sarotra ny mamerina izany hatramin’izao. Ahitana trangam-pihetsiketsehana matetika mantsy eto Madagasikara. Anisan’ny fototra iray mampahantra ny mponina ao aminy anefa izany. Tsaroana tokoa fa nisy ny tsy fitoviam-pijery na teo amin’ny foloalindahy na teo anivon’ny olom-pirenena. Nanampy izany ny raharaha 7 febroary 2009. Nahatonga ny filoha Ravalomanana hametram-pialana izany rehetra izany. Ankehitriny, tonga ho lehiben’ny mpanohitra eto Madagasikara izy. Tao amin’ny fandaharana miara-manonja no nanambaran-dRavalomanana fa ny filoha frantsay teo aloha, Nicolas Sarkozy, no tao ambadiky ny fametrahany fialana. Mipetraka ho tantara teto amin’ny firenena Malagasy izany rehetra izany. Tantara izay tsy hain’ny maro hadinohina ihany koa. Tokony handraisan’ny tsirairay lesona ihany koa anefa izany rehetra izany, mba hahafahana indray manarina ny ho avy. Mby hitovy amin’ny zava-misy ankehitriny ny zava-misy tamin’izany fotoana izany. Izany indrindra no tokony handraisan’ny sokajy isan-tokony rehetra lesona entina misoroka ny amin’ny mety hiverenan’ny krizy indray.
Fanilo Rarivoarilala
