SocialTsidika

Lalàna vaovao eo amin’ny jono makamba

Maro ny olona mivelona amin’ny fanjonoana makamba any amin’ny sisintanin’ny Madagasikara rehetra. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo manao fitrandrahana tsy ara-drariny ny makamba amin’ireny toerana ireny ka mahafatiantoka ireo mpisehatra sy mivelona amin’izany. Manana ny lanjany eo amin’ny toe-karena Malagasy ihany koa ny fitrandrahana ny harena anaty rano sy ny jono. Misy ihany koa ireo orinasa misehatra manokana amin’izany ka mampiakatra avy hatrany ny tamberim-bidy ho an’ireo mivelona amin’izany sy ho an’ny fanjakana Malagasy. Olana anefa ny fisian’ireo mpitrandraka tsy ara-dalana ireo ka tsy mampandroso izany sehatra izany. Lalàna vaovao ho raisin’ny fanjakana ny famerana ho 50 ny isan’ny fahazoan-dalana mitrandraka manerana ny faritra enina ahafahana manara-maso izany. Izany hoe mila manana fahazoan-dalana ireo izay te hisehatra amin’io jono makamba io mba ho tombotsoa ho an’ny daholobe. Tafiditra ao anatin’izany lalàna vaovao izany ihany koa ny jono makamba ara-indostrialy. Tokony tsy hihoatra ny dimy taona ny faharetan’ny fahazoan-dalana iray. Voafaritra ao anatin’ity lalàna vaovao ity ny fahafahana misintona ny fahazoan-dalana mitrandraka ho an’izay tratra mandika lalàna sy ny fepetra. Ny mpitrandraka izay tsy maintsy mandoa hetra isan-taona, eo ihany koa ny hetra aloa arakaraka ny habetsahan’ny makamba ataon’ny sambo iray. Fanontaniana mipetraka anefa ny hoe: Ho voaramaso tokoa ve ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna manoloana io lalàna io ? Hita mantsy fa miteraka fatiantoka ho an’ny rehetra misehatra amin’ny jono an-dranomasina izy ireny raha tsy misy ny fanarahamaso hentitra hataon’ny fanjakana. Ny mpitrandraka tsy ara-dalàna izay tsy mandoha na inona na inona amin’ireo karazan-ketra tokony aloan’ny mpitrandrandraka rehetra.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire