Fananan-tany : Hisy ny famoriana ireo tompon-tany any Ambohimanga Rova
Betsaka izao ny mpandova no tsy mahalala na ny taniny na ny tranon drazany fasany ao amin’ny kaominina Ambohimanga Rova. Miantso ireo manana tany na fasana eny Ambohimarina Ambohimanga Rova ho tonga eny an-toerana hisorohana ny mety hisian’ny mpanararaotra.
« Afaka mandefa solontena izay tsy afaka ny 25 Jona 2022 amin’ny 10 ora hatramin’ny 01 ora ny fotoana. Tsara tokoa mantsy ny mifankalala eo amin’ny samy tompon-tany. Efa tonga eto rahateo ny taratasin-ketra” hoy ny mpiandraikitra. « Hisy boky hofenoina hametrahana ny momba ny tany, fasana, tranon-drazana. Tsara raha mitondra taratasy mikasika ny tany any amintsika tsirairay » hoy hatrany izy ireo.
Mampisara-bazana tokoa ny ady tany. Manana tombony lehibe ihany kao anefa ireo mpandoa hetra isan-taona amin’izany ady tany izany.
Nicole Rafalimananjara
