Ambohimangakely : Hisy ny fampisehoana karakarain’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny faritra Analamanga
Mikarakara fampisehoana goavana ao Ambohimangakely ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Faritra Analamanga amin’ny 23 jona. I Njakatiana sy Smaven, hotronin’ireo mpanakanto avy ao Ambohimangakely, no hanafana ny lanonana fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena.
« Ao amin’ny Kianjan’ny Frera Ambohimangakely no hanatanterahana izany. Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ary hofaranana amin’ny alim-pandihizana sy ny afomanga » hoy ny mpikarakara. « Tsy ho tapitra hatreo akory ny fety fa hisy ihany koa ny fankalazana karakarain’ny kaominina ho an’ny mponina eto Ambohimangakely mandritra ny fetim-pirenena. Hanomboka ny 25 jona kosa izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely.
Fotoana hifaliana sy hampifaliana ny mponina tokoa ny fetim-pirenena toy izao. Hirariana mba hankalazana izany ao anatin’ny filaminana hatrany.
Nicole Rafalimananjara
