ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Nosokafana ny tetik’asa Ambioka

Nosokafana tamin’ny talata ny tetik’asa Ambioka ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Entina hanampiana sy hanomezana traikefa ireo tantsaha hanatsarana hatrany ny fihariany ity tetik’asa ity.

« Tetik’asa izay entina hanampy sy hanome traikefa ho an’ny tantsaha mba hanatsarana ny fomba fiompina akoho gasy nohatsaraina. Eo ihany koa ny fanaovana zezika bio, ny fambolena hazo fihinamboa sy ny maro isan-karazany » hoy ny Fitalevam-paritra Analamanga misahana ny fambolena sy fiompiana. « Tena manampy betsaka ny tantsaha ato ity tetik’asa ity, hanatsarana hatrany ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, mba hitombo hatrany ny vokatra. Maro ireo tantsaha liana amin’izany sy efa niara-niasa tao anatin’ny tetik’asa. Misy mihitsy aza ny solontenan’ny tetik’asa mijanona eto Talata Volonondry » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona.

Manana anjara raha samy kaominina tokoa ny tao Talata Volonondry tamin’izao tetik’asa hanampiana ny mponina ety ifotony izao. Hirariana hiparitaka manerana ny kaominina rehetra ambanivohitra ity tetik’asa ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire