Etats-Unis : Mety ho atao vaksiny ny zaza latsaky ny 5 taona
Ny zaza latsaky ny 5 taona ihany no sokajin-taona tsy mbola natao vakisny fanefitry ny Covid-19 ao Etats-Unis sy amin’ny firenena sasantsasany. Raha ny tatitry ny FDA (Agence américaine des médicaments) nefa dia ny zaza 5 hatramin’ny 17 taona amin’izao fotoana no ahitana trangam-pampidirana hopitaly sy trangam-pahafatesana ambony.
Manoloana izany dia hanatanteraka fivorian’ireo manam-pahaizana manokana izy ireo androany 15 jona hanapahana raha azo hatsindrona ny zaza enim-bolana hatramin’ny 5 taona ny vaksiny Pfizer sy ny Moderna. Raha ekena izany dia tsindrona telo ny Pfizer na tsindrona roa Moderna 3 « micogrammes » no ho atao amin’ireo zaza ireo.
