La Réunion : Karan-doha iray hita tao amin’ny kaominin’i Trois-Bassins
Karan-dohan’olona iray no hita tao amin’ny kaominin’i Trois-Bassins ny 3 desambra teo. Raha ny fanazavan’ireo manam-pahefana dia efa ela ity karana ity, ka mety nisy nofongarina tamin’ny fasana iray ary nanamafy izany ireo mponina tao an-toerana. Teo akaikin’ny tranon’ny ben’ny tànana teo aloha no nahitana io karana io, hoy ireo tompon’andraikitra, ary efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha.
