PolitiqueTatitra

Sénégal : Lamine Diack, filoha tsy dia nadio loatra

Namoy ny ainy teo amin’ny faha 88 taonany tao Dakar ny alin’ny alakamisy teo ny lehiben’ny atletisma eran-tany teo aloha Lamine Diack. Nody tao an-toerana ny volana may teo izy rehefa voatazona tao France nandritra ny taona maro noho ny raharaha kolikoly.Nitantana ny federasiona iraisam-pirenenan’ny atletisma i Lamine Diack ny taona 1999 hatramin’ny 2015. Voalohany nahatongavany tao Sénégal io tamin’ny volana may io hatramin’ny fiiampangana azy noho ny raharaha « dopage » ny atleta avy any Russie (vokatra mahadomelina ho an’ny mpanao fanatanjahantena) tamin’ny taona 2015. Voaheloka nigadra 4 taona tao France sy nandoa lamandy 500 000 euros ihany koa izy ny septambra 2020 teo.

Laisser un commentaire