ActualitésTatitra

France : Hisy fiarakaretsaka manidina ao Paris mandritra ny JO 2024

Hotontosaina ao Paris ny 26 jolay hatramin’ny 11 aogositra 2024 ny « Jeux Olympiques 2024 ». Isan’ny hetsika govana indrindra ho karakarain’ny firenena izany ka hanao ny hezaka rehetra izy ireo. Manoloana izany dia hoampiasain’i France ny fiarakaretsaka manidina « VoloCity » amin’io fotoana io.

Miendrika « drône » lehibe ny « VoloCity », ny « start-up Volocopter » ao Allemagne no namolavola azy. Raha tsiahivina dia efa natao andrana ny taona 2021 teo io fitaovam-pitanterana io izay mandeha 110km/ora amina halavirana kelikely ihany. Ny 10 Novambra teo kosa no notokanana ny « vertiport européen » voalohany tao amin’ny « aérodrome »-ny Pontoise ao Val-d’Oise.

Mikasa ny hanokatra toby dimy ao Paris kosa i France handraisana ny « VoloCity » amin’ny taona 2024.

Laisser un commentaire