Anjeva : Ho tanterahina any an-toerana ny « Alimbetso »
Ny sabotsy 05 novambra ho avy io no hanatanterahana ny hetsika “Alimbetso” ao amin’ny kaominina Anjeva. Ny Alimbetso, araka ny voalaza dia hetsika karakarain’ny faribolana sandratra Anjeva, izay hanomezana sehatra manokana ny kanto sy ny literatiora. Mahazo vahana manokana ao anatin’izany ireo kanto amin’ny literatiora am-bava, ny antsa tonokalo, ny adihevitra mikasika ny literatiora, ny tantara sy ny maro hafa
« Fotoana iray hifanomezana amin’ny mpiangaly ny literatiora io. Hanasana ny mpankafy rehetra ho tonga any an-toerana fa maro ireo zavatra mahafinaritra hifampizarana mandritra izany » hoy i Tahina, mpanao antsa tononkalo.
« Anisan’ny manome lanja ny kanto sy ny kolontsaina ny hetsika tahaka izao. Indrindra fa ny fivoahana any amin’ireo faritra ivelan’ny renivohitra. Misy fifanakalozana kanto sy fifampizarana amin’ny olona ao amin’ilay toerana izany, izay zava-dehibe tokoa » hoy i Miranto, mpankafy teatra Malagasy.
Maro ireo hetsika miseho mahakasika ny zava-kanto sy ny kolontsaina ary ny filalaoavana teny karakarain’ireo fikambanana eto amintsika. Anisan’ny manome lanja ny teny malagasy sy ny kolontsaina izy ireny ka tokony tohanana sy omena lanja hatrany.
Manitra Ramanantsoa
