ActualitésTsidika

Angovo azo havaozina : Miditra tsikelikely amin’ny fampiasana izany ny orinasam-panjakana Jirama

Miara-miasa amin’ny orinasa Socota sy Cottonline ny orinasa Jirama amin’ny famatsiana herin’aratra ho an’ny Malagasy aman-tapitrisany. Noho ny tsy fahatomombanan’ny fitaovana sasany dia mbola manana olana madinika amin’ny famatsiana herin’aratra ny Jirama ka miditra tsikelikely amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Ny fampiasana ny angovo azo avy amin’ny masoandro izany hatao izany. Natao izao fiaraha-miasa izao mba hialana amin’ny fahatapahan-jiro matetika loatra.

« Ho vidian’ny orinasa Jirama 431 isaky ny “kilowatt/heure” izany angovo izany. Tafifditra aoa anti’nny fifanarahana kosa ny fampihenana ny vidin-jiron’ity orinasa ity noho izao fiara-miasa izao. Ny tombony faharoa ho an’ity orinasa Socota ity ihany koa dia ny mahakasika ny fanomezana lanja ireo “panneaux solaires” izay tsy hampasainy amin’ny orinasany akory », hoy ny tompon’andraikaitra avy ao amin’ny Jirama.

« Manan-karena i Madagasikara raha ny resaka angovo azo havaozina no resahina. Manana tontolo iainana mbola hhafahana misitraka angovo betsaka isika, toy ny rivotra, ny rano, ny masoandro. Mbola manana betska isika ka azo trandrahana. Tsy tokony hiandry hoe hatomboky ny orinasam-bazaha foana izany rehetra izany vao tanterahina fa afaka htaon’ny fanjakana laharam-pahamehana tsara mihitsy mba hampihenana ny olana amin’ny fisitrahana jiro », hoy i Njiva, mpianatra momba ny herinaratra eny Vontovorona.

Ankoatra ireo milina mety hanimba tontolo iainana dia mahasoa kokoa ny fampiasana itony angovo azo havaozina itony, indrindra moa fa ny eny anivon’ny orinasa izany. Na ny tokan-trano tsirairay aza dia entanina hampiasa izany mba ho fiarovana ny rtontolo iainana izay efa mie-simba hatrany foana. Mampihena ny fandaniana ihany kao ny fampiasana ireny angovo azo havaozina ireny.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire