Belgique : Hita tao amin’ny mpifanila vodirindrina taminy ny fatin’ilay mpitsabo taloha tao Fontaine-Valmont
Hita efa tsy nisy aina intsony ny vatamangatsiakan’i Gérard Roger, 71 taona, tao amin’ny trano teo akaikiny ny alarobia 16 jona lasa teo. Efa nahafantatra ny fahafatesan’ity mpifanila vodirindrina taminy ity ilay ramatoa ary niara-nonina tamin’ny faty tao nandritra ny herinandro maromaro. Nonina tao Fontaine-Valmont any amin’ny Faritany Hainaut i Gérard Roger izay mpitsabo taloha tao an-tanàna ihany. Efa nihapotika ny razana satria efa herinandro maro izay no tao amin’ny tranon’ity ramatoa tao amin’ny adiresy 31 rue Hornet. Tsy nampahafantatra akory izao fahafatesana izao ity nampiantrano faty ity na dia efa hainy izao aza ny zava-misy hoy ny mpaka am-bavany. Misokatra ny fanadihadihana mikasika amin’izao fahafatesan’olona izao. Raha ny fantatra aloha araka ny voalazan’ireo manodidina dia mifandray akaiky izy roa ireto ary matetika no makao amin’ilay ramatoa ilay dokotera. Ny valin’ny fizahana ny razana no hanamarinana izay tena nahafaty marin aity rangahy 71 taona ity.
