ActualitésTatitra

Grande-Bretagne : Handray anjara amin’ny Wimbledon sy ny lalaon’ny nosy i Rafael Nadal

Nanao fanambarana i Rafael Nadal, mpilalao mitana ny laharana faha-3 amin’ny ATP, ary efa nandresy lalao « grand chelem » miisa, Taranja Tennis, omaly 17 Jona fa handray anjara amin’ny fifaninanana any Wimbledon Angleterre sy amin’ny lalaon’ny nosy any Tokyo ny tenany. Ny lalao any Wimbledon Angleterre izay hotontosaina ny 28 jona hatramin’ny 11 jolay raha amin’ny 23 jolay hatramin’ny 8 Aogosotra kosa ny lalaon’ny nosy any Tokyo Japon. Ny tanjona dia ny hiainana ao anaty sehatra tiana sy mahasambatra ka sady traikefa no fialamboly hoy i Rafael Nadal tao anaty tambajotran-tserasera. I Rafael Nadal izay mpilalao vao 35 Taona, dia efa nandrombaka ny amboara tamin’ny Olimpika ny 2008 sy 2016 ary isan’ireo tafiakatra tamin’ny lalao manasa-dalana tamin’ny Roland-Garros saingy resin’i Novak Djokovic.

Laisser un commentaire