Frances: Nisy indray ny fanakanan-dalana tao Nouvelle Calédonie
Omaly alatsinainy dia nisy indray ny fanakanan-dalana tao amin’ny Nouvelle Calédonie na dia teo aza ny fandaminana napetraky ny governemata tao an-toerana handaminana ny fifamoivoizana tamin’ny alalan’ny filankevitra niarahana tamin’ny filoham-pirenena Emmanuel Macron. Efa tao anati’ny herinandro izao no nisy ny fihetsiketsehana nataon’ireo vondrona mahaleo tena mahakasika ny fifidianana ka nitohy ny andro tsy fiasana ity. Ny vokatr’izay filankevitra izay dia fametrahana hamehana sy fanamafisana ny filaminana ataon’ireo zandary sy polisy. Na izany aza nefa dia mbola tapaka hatrany ny lalana fifamezivezena ary voasakana hatramin’ny lalana mampitohy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena any an-toerana.
