ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Niodivina ny tanàna nandritra ny fankalazana fety

Niasa avokoa ireo rafitra misahana ny filaminana sy ny fahadiovana tao amin’ny kaominina Ambohimangakely, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny pantekosta teo. Nisy ny fanadiovana sy ny fandaminana ny tanàna tao anatin’izany.

“Niasa avokoa ny mpanadio sy ny polisy kaominaly mba ho filaminana nandritra ny fety. Ny tanjona moa dia mba hafahan’ny rehetra nifety ampilaminana sy ampifaliana” hoy ireo tomponandraikitra.

“Tsara ny hetsika tahaka izao fa tsy tokony rehefa misy fety ihany vao mihetsika ny tomponandraikitra. Ny fandaminana sy ny fahadiovana dia tokony isan’andro mba ho  taratry ny filaminana sy ny fandraisana andraikitra ary mampandroso ny tanàna ihany koa izany” hoy i Holy, mponina ao Ambohimangakely.

Amin’ny ankapobeny dia nilamina ny fankalazana ny fetin’ny pantekosta tao amin’ny kaominina. Maro moa ireo hetsika mampiala voly hita tao an-toerana.

Laisser un commentaire