Iran: Maty vokatry ny fianjeran’ny angidimby nitondra azy ny Filoha Ebrahim Raissi
Zava-doza no niseho tany amin’ny faritra avaratra andrefan’i Iran tamin’ny alahady teo. Angidimby iray no nianjera, izay nitondra ny fiholam-pirenena Iranianina sy minisitry ny raharaham-bahiny, Hossein Amir-Abdollahian. Maty tao anatin’izany ity filoham-pirenena ity raha nikasa ny ho any amin’ny faritry ny Azerbaidjan atsinanana. Omaly alatsinainy maraina no hitan’ny mpamonjy voina tao amin’ny tendrombohitra any avaratra andrefan’Iran ity angidimby tra-doza ity ary efa tsy nisy aina intsony ity farany. Ny harivan’ny alahady nanao fanambarana ity filoha mpitarika ity mba ho tony sy tsy hanana ahiahy ireo mponina manoloana ireo olana lalovan’ny firenena. Etsy ankilany ny filoha lefitra iranianina dia nandao any Téhéran omaly hariva; ity farany izy tokony hisolo ny toeran’ny filoha nodimandry ity, mandrapa tongan’ny fifidianana afaka 50 andro
