Ambohimangakely : Mpiofana 96 no nahavita soa aman-tsara ny fianarana teny anglisy
Notanterahana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fizarana ny taratasy fanamarinana ny nahavitan’ny fiofana teny anglisy, natolotry ny kaominina Ambohimangakely. Mpiofana miisa 96 no nahatontosa izany hatramin’ny farany, araka ny voalaza.
“96 no nahatody hatramin’ny farany tamin’ny fampianarana teny anglisy natolotry ny kaominina, ka notolorana ny attestation nentina nanamarihana izany. Nisy ny ankizy, tanora ary ray aman-dreny tao anatin’izany. Fampianarana andiany voalohany ihany moa ity fa efa ho tsy ho ela ny andiany manaraka” hoy ny tomponandraikitra.
“Tena ilaina be mihitsy ny fampianarana tahaka izao, anisan’ny manampy be anay tanora amin’ny fanampiana fahalalana sy fahaizana, indrindra ny teny vahiny. Ny teny anglisy izay teny be mpampiasa amin’izao ary tena ilaina anaty serasera” hoy i Ravo, mpianatra.
Mitohy hatrany ny fampianarana atolotry ny kaominina. Aorian’izao, dia afaka misoratra anarana sahady ireo vonona hianatra ao anatin’izany. Ho an’ireo izay manohy ihany koa moa dia afaka misoratra anarana, raha ny voalaza hatrany.
