PolitiqueTatitra

Colombie : Maty nisy namono ny lehiben’ny fonjaben’i Modelo

Maty nisy namono ny lehiben’ny fonjan’i Modelo, ao Colombie. Fonja anisan’ny lehibe indrindra any an-toerana. Talohan’ny famonoana azy io dia, efa nahazo fandrahonana ho faty ao an-tranomaizina ny tenany, araky ny nambaran’ny filoha Gustavo Petro. Izy moa dia Kolonely misotro ronono ary tao anatin’ny fiarany no nahitana ny fatiny raha ny fanazavana hatrany. Mpanatanteraka  fisavana no anjara asany ary tamin’ny fomba feno habibina no namonoana azy. I Colombie dia anisa’ny firenena mpamokatra Cocaine hikohizana indrindra manerantany ary ahitana trangana herisetra indrindra anatin’ny fonja, ao Equateur. Ary amin’ireo firenena manodidina azy dia izy no nahitana trangana vono olona indrindra tato anatin’ny volana maromaro izao.

Laisser un commentaire