Corée du Nord : Nanambara ny hanamafy ny “arsenal nucléaire” i Kim Jong-Un.
Nanome toky ny hanamafy ny fanakanana ny tafika nokleary ny filohan’i Corée du Nord ho an’ny fireneny nandritra ny kabary famaranana nataony tao amin’ny kongresin’ny antokon’ny fitondrana, hoy ny tatitra nataon’ny masoivohom-baovao KNCA ny alarobia 13 janoary teo. Nanafika an’i Etats-Unis koa i Kim Jong-un, satria hisolo an’i Donald Trump tsy ho ela i Joe Biden.
Nitsikera mafy an’i Etats-Unis i Kim Jong-un nandritra ity fivoriana naharitra valo andro ity, izay indroa noho ny kongresin’ny Antokon’ny mpiasa teo aloha tamin’ny taona 2016, andro vitsivitsy talohan’ny fanokanana ny filoha demokraty Joe Biden. Etats-Unis hoy izy, no sakana lehibe amin’ny fampandrosoana ny revolisiona sady fahavalon’i Corée du Nord.
