PolitiqueTatitra

Sénégal : Nanao fihetsiketsehana manohitra ny fanemorana ny fifidianana ireo mpanohitra

Nanao fanambarana ny filoha Macky Sall, tao Sénégal, mahakasika ny fanemorana ny datin’ny fifidianana, izay tokony atao ny 25 febroary izao ka ahemotra ny volana desambra. Vokany, an’alina ireo vahoaka avy amin’ny mpanohitra, nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana ho fanoherana izany, tao Dakar, ny sabotsy teo. Nidina an-dalambe ihany koa ireo fiaraha-monim-pirenena vokatr’izany hatrany, nitaky ny rariny amin’ny fanajana ny fizotran’ny fifidianana sy ny fanajana izany. Na izany aza anefa, nolavin’ny fitsarana momba ny lalam-panorenena any an-toerana, izany fanapahan-kevitra izany.

Laisser un commentaire