Ankadikely Ilafy : Maro ireo tanora liana amin’ny asa « enquêteur »
Maro ireo tanora namaly ny antso tamin’ny tolotr’asa « enquêteur » nataon’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny herinandro teo. nisy ny fandraisana ireo tanora taorian’izay ary hita ny fahalinan’izy ireo amin’ny tolotr’asa, araka ny voalaza.
« Fiaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy sy ny Orinasa Benpec Venture MG no nahafahana nanatanteraka izao tolotr’asa izao ho an’ny tanora eto an-toerana. Tanjona hatrany ny fampananan’asa ireo tanora eto an-toerana ary manao izany ho vaindohan-draharahan’ny Ben’ny tanàna ka miezaka hatrany amin’ny fitadiavana izay mahasoa ny tanora » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Tsy tokony hiandry tolotr’asa avy amin’ny koaminina sy ny orisana isan-karazany vao afaka hiasa ny tanora. Manana andraikitra ny kaominina sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny amin’ny famoronana asa sy fanofanana azy ireo,izay tena maro an’isa amin’izao fotoana. Anisan’ny zava-dehibe izany ho an’ny fampandrosoana » hoy i Nasandratra, mpianatra.
Tsy vao izao no nisy ny fiaraha-miasan’ny kaominina tamin’ireo orinasa samihafa ho fampiroboroboana ny sehatr’asa ho an’ny tanora sy ho fanohanana azy ireo. Raha ny nambaran’ireo tomponandraikitra moa dia ho tohizana hatrany izany.
