SocialTatitra

France : Mitohy ny fitadiavana ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana polisy noho ny famatsiana rongony

Lehilahy iray 22 taona, Alias Akoudad, no voarohirohy tamin’ny raharaha fitifirana olona miisa telo tao Avignon, ny taona 2021. Ny iray tamin’ireo voatifitra no namoy ny ainy. Ity farany izay manam-pahefana nanao fisafoana manodidina ny toerana niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy, ka nahatsikaritra ity lehilahy ity nanjifa zava-mahadomelina. Telo taona taty aorian’ny nitrangan’ny loza ; dia niverina nisokatra indray ny fanadihadiana momba ity tranga ity.  Voaheloka higadra araka izany ity lehilahy ity. Tsy vitan’ny manjifa zava-domelina izy tao anatin’izany fa sady mandray sy mivarotra izany ihany koa. Ankoatra azy, namany iray hafa ihany koa no vosambotra niaraka taminy, izay mpanjifa zava-mahadomelina ihany koa.

Laisser un commentaire