ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hisy ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro

Hisy ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro an-tanimbary sy anaty dobo, izay atolotry ny kaominina Ambohimanambola, manomboka anio 20 febroary. Aharitra telo andro izany, araka ny voalaza.

« zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny fampiroboroboana ireo sehatra misy eny ifotony, tafiditra ao anatin’izany ny asa manga. Maro ireo efa misehatra anatin’izany ary mahita tombotsoa amin’ny fandraharahana sy ny fampandrosoana indostrialy » hoy i Ranto, mpianatra momba ny toe-karena.

« Anisan’ny sehatra mora hitadiavam-bola ary mahavelona tsara ny fiompiana trondro, raha ho an’ireo tanora vonona hanomana sy miandrandra ho avy tsara. Efa maro ireo liana amin’izao fotoana ary efa tsy vitsy ireo sampana manolotra fiofanana fa ny fahazotoana sy ny fikirizana ary ny fahavonona no zava-dehibe » hoy i Andry, mpandraharaha amin’ny fiompiana trondro.

Ny ekipan’ny talem-paritry ny jono sy ny toe-karena manga, amin’ny alalan’ny ministeran’ny jono sy ny toekarena manga moa no manolotra ity fiofanana ity. Manomboka amin’ny 9ora maraina izany ary ao amin’ny tranom-pokonolona (ex-lycée) no anatanterahana ny fiofanana.

Laisser un commentaire